TSIKY ANATY HAIZINA (NY Andri-Fara)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY ANATY HAIZINA

Noheveriko fa banga ny tontoloko
Tsy noheveriko ho solafako ny diako .
Mifamatotra amin'ny Aiko ilay tantarako ,
Kanefa vahotra toa miahotra mangovitra...,
Ilay malala mba nantenaina nanolotra lamosina
Ireo mpiara-miasa nandatsa tsy ankolaka .
Ny namana rehetra nandoro ny fisiako !
Izay rehetra nanodidina ahy vinitra sy tezitra .

Nahoana anefa ....Kanefa tsia !
Ny foko sy ny saiko ...kely tsy ampy hery ...,
Ireo nangoniko rehetra tsy nisy izay tadidiko.
Nahoana hoy ianao , tsy vintana an-tery !
Mampiteny irery ...Mampitranga alahelo .
Ho zakaiko ve kanefa inona no ataoko ...;
Ny amiko rehetra tsy hita hoe ahoana ?!

Iza no andrasako handamina ny olako
Na ny alina aza ; tsy nizara tsiky intsony .
Alahelo nitambesatra tsy niombonako aminy
Efa irery hatramin'izay , dia irery foana ve!
Aiza ny indrisy nahoana kay no misy...
Efa mitambotsitra mandatsa izay tsy nisy
Fa ny vady andefimandriko aza...,
Tsy mijery ny fisiako, tsy mahalala ny ato am-poko
Ry alina o! aiza moa ny tsikinao andrasako
Ny aloka sy Nofy ...Ny tsiky sy tamberina
Namerina sangodina nisangodina ato an-tsaiko ...

Na ny zanako , toa tsy mijery ...tsy te ahita ny fisiako
Fahatsiarovana nangidy eritreritra nandalo
Embona nafaitra tsy ho fisarahana angamba.

Ampandrianomby . 11 Ora sy 08 minitra
28.02.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
110 3
Hevitra mandeha
SANAKERIB ( 25/03/2024 05:04)
MANKASITRAKA TOMPOKO . TSY NAMPOIZIKO
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015