Nofiko faharoa (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofiko faharoa

Tao anaty habakabaky ny nofy indrindra
No nahitako ireny Andriamanitra kely sakambinin'ireo anjely
Namonjy iny lalan-danitra
Nakipiko ny maso, notsongoina ny hoditro ndrao mbola manonofy aho ao anaty nofy.

Natsangako ny tànako, nampiakarina kely ilay masoandro
Nitodika ilay anjelin'ny teny
Niantso ahy hoe avia
Andao hanaraka ilay Andriamanitra kely

Nangina aho nijery ny manodidina
Nampanginina ny feon'ny fieritreretana
Reko ny feon'ireo anjely maro, mitsaoka sy mihira
Manonona anaran'ilay mpahary

Nakekeziko ilay anjelin'ny teny
Dia nikopatanana ahy ilay voninahitry ny anitra
Resiko tampoka teo ilay fanahy manjeny
Noraisiko ilay boky misy fanomezana nomanina ho ahy hatrin'ny ela, dia ny asa famoronana

Taitra tampoka aho tamin'ny nofy tao anaty
Nefa mbola teny amin'ny habakabaka ihany nitety vazan-danitra
Tsy nofy intsony izao, fa fandraisana andraikitra
Ny fanomezana, nentin’ny lanitra hitondra hazavana eto an-tany.

Ny Hafatra RANDRIANTIANA, 11 Avrily 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
67 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0202