Taziako fahiny (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taziako fahiny

Tsy mba tsikaritrao akory
Anton'ireny fihetsiko rehetra ireny fony mbola iray kilasy isika
Teny aho natoky dia natoky
Nisangy, nankafy, resin'ny lalana nolalovana, tsy nangasiasy

Injao, boky no hosoratana
Boky toeran'ireo tantara tsy maty ato am-poko
Boky misy anarana,
Lohatenin-tononkalo mahafa-toloko
Tazia no anarany

Ho ataoko ren'ny taranaka fara aman-dimby
Ho tononina eo imason'izao tontolo izao, hatao tsianjery
Fa fitiavana ato anatiko tsy ritra na ho soronina im-piry
Na hiantsoana anjely hanafa-tondro ity fanahy manirery
Ho taziako foana

Boky iray no ampy hanadinoana ireo takaitra tsy sitran'ny andro nifanesy
Ireo ratran'ny nofy isak'alina, amangianao ahy
Mazàna tsy adino, hanovozana hery
Mampanembona ny fanahy
Satria, ianao ilay tazia nahamiramirana tarehy fahiny.
Tsy tazanao angamba aho tamin'izany fotoana izany, fa ho taziako foana ilay fahatsiarovana.

Ny Hafatra RANDRIANTIANA, 12 Mars 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fitiavana
56 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0172