Soratsoratra (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soratsoratra

Na ireo soratra mikirisarisa anaty taratasy,
Sy ireo mitandahatra eny an-tsolaitra any an-dakilasy,
Dia soratra misy lanja, manam-piainana,
Soratsoratra mitondra fisainana.

Na dia ny diam-penin'ny poeta sy ny mpanoratra aza,
Sy ireo Ntaolo, nifandimby nilaza
Anganongano nahamasa-bary,
Dia tahiry hitahiry sy hahatsiarovana ny tsiahy omaly.

Ny soratsoratra
Dia tsy soratra fotsiny akory,
Fa fanahy mitafy endrika, mitondra nofon-teny.

Ny soratsoratry ny poeta, tsy rediredy akory,
Fa fanahy miteny,
Manambara ny miafina, tsy takatry ny saina.

Ao ny mampifaly,
Ao ny mampitomany,
Ao ny mahonena,
Ao koa ny mitondra sy mitory fandresena.

Ny Hafatra RANDRIANTIANA
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126