You are here: home > Vetso

Hatramin.izay..... - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?

        Hatramin'izay........

Hatramin'izay nahalalako anao,
Dia tsapako ho hafa ny fitempon'ny foko;
Toa nifoha indray , nahazo aina vao;
Toa taitra fa injao ny fitiavanao nisoko.

Fitiavana, io ilay fanafody mamy;
hantenaiko avy aminao ry tiako;
Hanasitrana ity foko rakotra tomany;
Ka io fitiavana io no andry hitokiako;

Matoky anao aho, matoky ilay fonao tia;
hanakombona ny ferin'ilay foko izay nijaly;
hampifaly ahy mba ho sambatra doria;
fa izaho hanaja anao, ho tia anao hatrany;

Hatramin'izay nahalalako  fitiavana;
tsy mbola nisy hery tsapako nanintona ahy;
toy ilay fitiavanao rahavana ;
Dia ilay fitia feno hatsaram-panahy.



  29 - 03 - 2004

Hametraka hevitra

Midira aloha