Izy ilay fitiavako (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona no mahasarika ahy aminy?
tsy fantatro....
nefa aho tsy mahafoy azy;
tsy afaka handao....

Nanandrana aho ny nitia;
nitia olon-kafa;
saingy tsy foiko izy;
ny anarany tsy voafafa.

Tsy misy izay tsy nataoko;
hamonoako ilay fitia;
fa na dia nanaiky aza ny saiko;
ny foko kosa tsy nety fa mbola tia.

Ny saiko milaza fa
vitako ny hanadino;
ny foko tsy mitsahatra miteny fa
na hino aho na tsy hino;
IZY ILAY FITIAVAKO.

04/08/04
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
3043 1
Mpakafy: atmos
Hevitra mandeha
atmos ( 28/10/2004 09:04)
Rehefa tia marina dia hadino daholo na ny vato misakana rehetra; rehefa tia, na dia fefy ohatrin'inona aza tsy mahasakana azy.
yonikafopl ( 29/10/2004 17:09)
Izay ilay fitiavana ry atmos, ary toa manahirana indraindray.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146