Ra vola - Ny Hasina Heritiana
Azo vakiana?
Noho ianao ra Vola;
no hanompoako toy izao;
noho ianao ihany koa ;
no ihafiako hatramizao;
Noho ianao ra-vola
no nandaozako ilay fireneko;
na nilanjako fijaliana;
tsy nampanionona nekeko;
Efa nekeko ary ekeko;
fa ianao no andry iray;
hiankinan'ny fiainako;
ka nokatsahiko hatrizay;
Nefa na izany aza;
aoka ho fantatrao ra-vola;
fa mbola misy ilay ambony
tiako mihoatra noho ianao;
Dia ilay iray tsy foiko;
ilay nohajaiko hatrizay;
Dia ilay JESOSY TOMPO;
Mpanjakako, anio;
ampitso, ary ho mandrakizay.
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Hasina Heritiana
Nampiditra : yonikafoplDaty : 08/04/2004
Mpamangy : 2209
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Izaho efa tia anaoHo fisaorana Anao
Hatramin.izay.....
Sangisangin'olontiana
Fitia sur net...!
Izaho ve no tsy mahay mitia?
Izy ilay fitiavako
Hay ve!!!!!!
Ianao.
Andalan-tsoratra ho anao.