You are here: home > Vetso

Ho fisaorana Anao - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?

    

       Ray o !
Ho fisaorana anao
no ho voalohan-teny
asandratr' ity zanakao
noho ireo soa ombieny ombieny.

              Nomenao fanampiana
              raha tojo olana nihatra
              notoloranao fifaliana
              raha sendra fo naratra.

Indraindray aho nanadino
ny hiresaka aminao
Nefa Tompo tsy nampino
Ilay fitia natolotrao.

                Ka indro havaoziko eto indray
                ilay voady izay nataoko
                dia ny hanompo Anao hatrany
                mandram-pialam-pofonaiko.


                   31/03/2004

Hametraka hevitra

Midira aloha