RIVO-MIFOFO * Indro nisos (NY RARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RIVO-MIFOFO
*
Indro nisosa ilay oran'ny saiko
'Zay tena ao anaty ny taona tanora
Reko mihazona ilay fofon'aiko
Ilay tavako mando mbola matsora
*
Rivotra mafy,mifofo ny aina
Ilay rivo-pikalo nalaiko taloha,
Dia indro fa reko ianao sombinaina
Miezaka mafy,hitsaka sy hifoha
*
Kinanjo!Tratran'ny andro midona
Tanatin'ny aizina mandambolambo
Ilay foko ato anefa toa mbola milona,
Matory tsy taitra!Tsy tafita sambo!
*
NY RARY
desambra 2016
--------
Rohy:
548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01