You are here: home > Vetso

Tsiahy * Tsiahy mitambolo - NY RARY

Azo vakiana?

Tsiahy
*
Tsiahy mitambolona ato an-tsaiko,
Ry fara-vodilanitra
Indraindray,mamelona,manempotra ny aiko
Tsy haritro ka mba ho tantaraiko
Mba hanembona ny hanitra!
*
Tsiahy tsy voafafa,misiosio lava
Ny ato anatiko ato:
Manampongatra hatrany ilay zavona tsy hisava
Fa hanakoako ao an-tsaina,tsy ho rava
Tsy mety sasatra mba hiato!
*
Tsiahy ireny ka tsiahy
Tsiahy manageja ny tantarako
Tsy mba hamelona fanahy,
Fa hanjary hampanahy
Ka hikosoka ny anarako!
*
NY RARY
25 Septambra 2016

Sokajy : Ahiahy, embona