Maso mifanojo - Ny Tsiaro
Azo vakiana?
Mifanojo matetika ny fijerintsika roa
Kisendrasendra angamba, tsy fantatro aloha
Kanefa tsapa ihany fa midoboka ny fo
Any anatiko any, misy fitiavana mifoha!
Isaky ny mifanojo ireto masontsika
Dia misy hafanana izay tsapa fa miampita
Ka maniry ny hifanantona mba hifampijery tsara
Ary dia hifampitantana ka hanohy ity tantara…
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
winner (28/11/2008 16:47:51)
mba ilazao refa mitohy ny tantara e
litamour (29/11/2008 13:30:32)
'lay fijery tsy mandainga
'lay topi-maso tsy miafina
fa manosika manainga
ny fo sy saina mba hamihina....
dia aleo hifampijerijery eto ery eh.
lamour.
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Tsiaro
Nampiditra : elihangyDaty : 28/11/2008
Mpamangy : 2507
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy kilalalaoAiza?
Nous cesserons de pleurer
Rien ne fait plus mal
Tsy hiandry anao intsony
Une femme qui t'aime
Que le temps s'arrete
Fanantenako
C'est ça l'amour
Sakano