Sakano - Ny Tsiaro
Azo vakiana?
Andriamanitra o !
Fantatrao ny eritreritro, fantatrao ny ao an-tsaiko
Na tsy mbola vitako aza, fantatrao izay kasaiko
Ity foko adaladala, te hihoatra izany fefy
Na dia efa eken’ny saiko fa zavatra tsy mety
Saingy olombelona, maloto fo, maloto rà
Mpanota malemy, ratsy saina sy fanahy
Kanefa dia minia mizotra amin’ny lalan-diso
Na dia efa fantatra aza fa mety hampidi-kizo
Tsy te hahalala tsotra izao fa dia mandroso ihany
Na dia efa tsapa fa mihavery hatrany
Andriamanitra o!
Sakanonao aho fa aza avela handeha
Ampio aho hiady amin’ny herin’ny maizina
Aoka ho hatoro ahy ny làlanao anie,
Nefa raha mbola maditra, aoka Tompo mba ho faizina.
Sokajy :
Fiderana
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Tsiaro
Nampiditra : ElihangyDaty : 08/01/2010
Mpamangy : 2065
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy kilalalaoAiza?
Nous cesserons de pleurer
Rien ne fait plus mal
Tsy hiandry anao intsony
Une femme qui t'aime
Que le temps s'arrete
Fanantenako
C'est ça l'amour
Maso mifanojo