Tsy hiandry anao intsony - Ny Tsiaro
Azo vakiana?
Rehefa ela niheverana sy nandinihana ny fiainana
Rehefa ela niharetana ahiahy sy fitaintainana
Rehefa ela niandrasana an’ilay tsy ho avy akory
Dia nanapa-kevitra aho fa tsy hiandry anao intsony
Izay miafina tam-poko, efa voalazako daholo
Ny fitiavako rehetra, efa nomeko manontolo
Hatrizay aho niandry anao, tamin’ny fo izay tena tony
Fa ankehitriny kosa, izaho tsy hiandry anao intsony
Nilaza aho hatramin’izay fa hiandry anao am-pahendrena
Hoy koa ianao hoe “aza dia mamoy nefa aza manantena”
Izay tena any am-ponao any, tsy haiko ary koa tsy fantatro
Izay tena any an-tsainao any, tsy azoko ary tsy mba takatro
Fa ny marina dia izao,
Hatry ny ela aho niandry anao,
Saingy tsy hitanao akory,
Ka dia ambarako eto izao,
F’izaho tsy hiandry anao intsony!!!
Any ho any rahateo, misy olona miandry ahy
Miandrandra ny fitiavako, vonona hisolo anao
Nisokatra ho ahy ny fony hatramin’izay ela izay
Ka raha toa aho hanaiky azy, aza dia tsinianao !
Omeko azy ny fitiavako, omeko azy manontolo
Izay mety hahasambatra azy, hotanterahiko daholo
Satria ianao tsy nandray ahy, dia horaisiko ny fony
Ka ialako tsiny indrindra, f’izaho tsy hiandry anao intsony!
Izay mety ho fiverenanao, aoka izay fa tsy ho heveriko
Izao moa no efa safidiko, ary inoako fa tsy ho neniko
Tsy maintsy hoe marary fo, iny aloha dia tsy afeniko
Saingy ny hevitro efa tapaka, tsy hiverenako ny teniko
Aminao mantsy aho, toa manantena ny tsy misy
Lany sento ny fiainako, rakotry ny “indrisy!”, “indrisy!”
Ka aleoko manaiky azy sy mandroso ao am-pony
Fandrao koa dia tara loatra k’izy tsy hiandry ahy intsony!
Hevitra mandeha
katiaa (24/01/2010 07:00:16)
kayyyyy tsara b sy feno fahendrena.
Good 4 u :-p
diyh (19/01/2021 05:03:15)
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Tsiaro
Nampiditra : ElihangyDaty : 22/01/2010
Mpamangy : 3277
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy kilalalaoAiza?
Nous cesserons de pleurer
Rien ne fait plus mal
Une femme qui t'aime
Que le temps s'arrete
Fanantenako
C'est ça l'amour
Sakano
Maso mifanojo