HORESEKO (Ny Voaroy )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HORESEKO Horeseko… hosereseko sao haningotra ny aiko
ny hakamoana miana-desona mandoto izany saiko.
Na hafanana, na fanala, izay mitondra fahalainana ;
tsy hampikoro ny filamatro izay raketiko ho fisainana.
Horeseko ny toetra tsy fahaizana mandamina
ka hanokanako fotoana ny fihinanana ilay HANINA,
hamelomana fanahy tsy ho farofy fa salama.
Sa tsy izany, Ramose, sa tsy izany ve Madama ?
Horeseko ny fijery mampaharatsy ny safidy,
fa ny lesona sakafo no lazaiko ho lafo vidy ;
Kay ireo nitondra poizina toy ny maingoka mandady
hanapotika ny hoaviko, dia horeseko f’azafady !
Horeseko ny hadalana izay nampisy ny fidinana
noho ny lesona herinandro izay nataoko indray nihinana
ka nihambo izany tena fa nihinana isan’andro,
nefa ange izy rehetra no nataoko indray nahandro.
Horeseko ny hatarana sy izay mety ho fahazarana
ka ny fianarana ny « lesona » no hataoko lohalaharana ;
io no vetsovetsom-poko, ho to anie izay sarobidiko,
ka tahio re Jesosy mba « handresy ny safidiko »
NY VOAROY 17/04/2013
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana - Fananarana
