Sôva momba ny kanto (Ny Voaroy )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOVA MOMBA NY KANTO Vaky ny sôva momba ny kanto
Kanto ny ainga raha voatefy
Ny tefy no ilaina amin’ny zavakanto
Zavakanto dia avy amin’ny mpanakanto
Mpanakanto mamoaka ny tena kanto
Kanto ny hira raha toa mirindra
Mirindra miritsoka taralila
Taralila manako mahavelon-kira
Ny hiran’ny manina mahavariana
Mahavariana fa kanto ny hosodoko
Ny hosodoko dia asan’ny mpanao sary
Mpanao sary tsy iza fa mpanakanto
Mpanakanto misokitra vatan-kazo
Ny vatan-kazo voasokitra lasa kanto
Fa kanto ny asan’ny mpanao trano
Ny taotrano tsy efan’ny olon-drery
Ny olon-drery misingana tsy vahoaka
Ny vahoaka mientana mahavita kanto
Fa kanto ny tenona tsara tsongo
Tsara tsongo ny landy ka zary kanto
Kanto ny hisatra raha voarary
Raha voarary ny teny ka tena kanto
Kanto ny Nosy raha voajary
Tany voajary ka tena kanto.
Fa hialako ny sôva momba ny kanto
Fa ny kanto dia maro raha hotantaraina.
Ny Voaroy 04/09/24
--------
Rohy:
Sokajy :
Zavakanto
