Sôva momba ny rano (Ny Voaroy )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOVA MOMBA NY RANOVaky ny sôva momba ny rano
Ny rano misosa ao anaty vato
Vato mazana eny an-tendrombohitra
Tendrombohitra mikotrika vôlkano
Vôlkano mipoaka manjary rano
Ny rano fototry ny aina rehetra
Ny aina iveloman’ny zavaboahary
Zavaboahary dia asan’ny Zanahary
Zanahary namorona lohasaha
Ny lohasaha mpitahiry ireo loharano
Loharano mikoriana ka tonga ony
Ony mpamatsy ireo tanimbary
Ny tanimbary mpamelona ny tantsaha
Ny tantsaha no mamokatra dia (noho) ny rano
Ny rano mitsitaika manjary aina
Aina mivoatra ho sombin’ny aina
Ny aina tsy avy aiza fa avy amin’ny rano
Fa maty aho raha toa ka tsy misy rano
Ny rano fonenan’ny hazan-drano
Ny hazan-drano trandrahin’ireo zanadrano
Ny zanadrano mivelona amin’ny rano.
Ialako ny sôva momba ny rano
Fa ny rano no mpamelona ny voahary
Ny voahary miaina eto ambony tany.
Ny Voaroy
21-08-24
--------
Rohy:
Sokajy :
Zavaboahary
