Sôva momba ny voninkazo (Ny Voaroy )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOVA MOMBA NY VONINKAZO
Vaky ny sôva momba ny voninkazo
Voninkazo no manitra vao maraina
Ny maraina paradisan’ny voronkely
Velon-tsioka ny vorona an-jaridaina
Ny zaridaina dia lapan’ny voninkazo
Voninkazo mamelana tena soa
Ny soa no andrandraina amin’ilay Nahary
Ilay Nahary nampisy ireo voninkazo
Voninkazo no ravaky ny tanàna
Ny tanàna dia kanto raha misy hazo
Ny hazo mamelana tsara vony
Raha vony tsy mihoatra ny voninkazo
Voninkazo ? He … Jereo ny raozy
Ny raozy sy lisy ka tena vony
Fa ny vonim-boahirana mbola meva
Meva tsy ambaka ny viôlety
Ny viôlety malaza, fa ao ny benja
Ny benja eo ihany fa izato avoko
Avoko mamelana tsara vony
Ny voniny no mampiavaka ny telomiova
Telomiova mpanjakan’ny voninkazo
Mmmm…tena kanto ny sôva momba ny voninkazo
Ny voninkazo dia endriky ny vehivavy
Vehivavy ao an-trano ka voninkazo
Voninkazo mpandamina ny tokantrano
Ny tokantrano voaravaka voninkazo
Ka raha haka ry zalahy, vony tsara halaina
Dia ho tsara hatramin’ny sombin’ny aina
Ny sombin’ny aina dia voninkazo vao mamony
Hamony holovain’ny taranatsika
Fa hialako ny sôva momba ny voninkazo
Fa ny voninkazo dia endriky ny Firenena.
Ny Voaroy
24-08-24
--------
Rohy:
Sokajy : Zavaboahary
26 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Voaroy
Nampiditra : Mikoriana
Daty : 29/05/2026 22:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121