Vetsovetso (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSOVETSO

Sendra nahatsiaro aho androany ...
Eny, mody atao hoe androany ihany satria,
mety tsy ho tinao raha hoe mahatsiaro foana.

Sendra nisento aho androany ...
nanembona ilay tantarantsika
nanembona ilay ianao namihina ahy fahiny.

Dia lasa ny fisainako, mandinika ny hafa
aiza ianao izao? aiza ilay antsika?
mbola hisy ve, fihaonana any ho any?

Izaho ihany no mamaly
efa sambatra izy izay, anilan'olon-kafa
tsy mahatsiaro intsony, ireo sombim-pahatsiarovana
niarahana niaina.

Raha izany no izy, aleoko ianao tsy ho hita
soa ihany aho fa nitsoaka, nandositra anao
ka mba tsy voatery ho voasintona hiantso

Aleoko ihany aty, variana an-tany lavitra
ka tonga manadino, anao indraindray
ka mba tsy dia manembona, raha tsy rehefa irery.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1788 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindra
Daty : 07/06/2011 20:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103