RAHOVIANA ? (OLLIE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa maloka foana zany andro
Tsy mba misy hazavana
Fa nakaiza ilay masoandro
Mba hanisy fiovana

Nosomparan'ilay rahona
Izay mba mety ho fananako
Ka nanakona toa mandrahona
Ny anjara tandrifiko

Fifaliana,fijaliana,fahoriana
Izany foana no hita hatrany
Mampijaly,mankarary,mahavariana
Hetraketraka no mahatonga izany

Hasambarana,tsikitsiky,fifaliana
Toa mba nisy ihany izany
Fa nandalo,nampimalo,hasosorana
Ary rava ny fiafarany

Fa nahoana ry tany?
Toa maro loatra ny mpisompatra
Fitiavan-tena ve sa inona ihany?
Satria na iray aza tsy nanavotra

Mangidy loatra ka mampitaraina
Ary sarotra ihany ny hamehy
Mbola lavitra mantsy ny hombana
Rahoviana ary vao handresy?
--------
Rohy:
2214 1
Hevitra mandeha
chipie1 ( 13/09/2005 07:15)
mifamaly tsara amlé tonokalonao iray "aza kivy"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : OLLIE
Nampiditra : ollie
Daty : 10/09/2005 17:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104