TSIKY - ONITRA
Azo vakiana?
Tsiky !
entiko maneho hafaliana sesilany
entiko hanamaivana ny jaly anatiko any
fitaovana sy ampinga handreseko ny adim-piainana
hery hafa kely mampirindra ny fisainana.
ONITRA alahady 31 janoary 1999 t@ 11ora latsaka 14mn alina.
Hevitra mandeha
johan (11/11/2006 07:04:36)
Tsiky
ho entiko hanaromana alahelo ao ampo
ho entiko hampitraka fa tsy hanondrika ny loha
endrika ivelany ahafahako milaza
ireo teny maro tsy voaloaky ny vava
tsara le izy!
njaf (16/11/2006 11:30:29)
Tsiky
entiko hanafenana ireo olatra ny lasa
ho entiko miandrandra ny zavatra kinasa
entiko andresena ireo sentosento lalina
sy entiko hanantena, ho fitaovana enti-miarina.
dia mirary soa an'i helitiana fa mahafinaritra ny mitsiky eny fa na dia amin'ny amin'ny 11ora latsaka 14 mn alina aza. mahereza
fahamarinana (05/06/2009 07:28:37)
Tsiky
Teny tokana monja
Teny mahalaza izay mafonja
Teny miaro,mankahery
Teny manavotra,tsy mamery !!
Hatreo aloha !..Tsara marina ny tsiky fa mbola tsara hatrany koa raha tsiky tena izy fa tsy tsiky tsy ravo ! hihi !
Faha
Mombamomba
Mpanoratra : ONITRA
Nampiditra : helitianaDaty : 10/11/2006
Mpamangy : 1752
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
Tsy ahoako....REHEFA ALINA ......
SAHIA......
Tena ampy izay
ILAY VERY FA HITA INDRAY
Andriamanitra รด !
NY FAHAFATESANA
VAVAKA