You are here: home > Vetso

Akaikin'ny fo - Panarato

Azo vakiana?

Hanana elatra anie aho
Hanidinako
Ho avy eo anilanao
Masoandro fifaliako

Tsy ny elanelan-tany
No hampihena ilay fitia
Ny eritreritro mankany
Vonona ny hiara-dia

Ventsoventso sy vinany
Mampietana ny fo
No alefako tsy lany
Fitiavana tsy miova loko

Nofinofy, fikasana
Fifaliana, fanantenana
No atokako ho anao ry tiana
Anaty alina mangina

Mombamomba

Mpanoratra : Panarato

Nampiditra : panarato
Daty : 24/08/2013
Mpamangy : 1067
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fitia vaovao
Any lavitra any
Fitia ritra
Zanako
Neny, fitiavako voalohany
Onjasoa
Tanindrazakop
Fitiavana ihany
Panarato