You are here: home > Vetso

Zanako - Panarato

Azo vakiana?

Zaza bodo, zaza saina
Toy ny andon'ny maraina
Voninkazo mbola hivelatra
Hihatsara hanana elatra

Toy ny voa vao maniry
Raha tsara fototra sy tsiry
Dia ho vanona sy soa
Hivelatra hialehibe tokoa

Badabada sy tomany
Tsikitsiky ary hehy
Fanehoana eto an-tany
Fa velon'aina tsy voafehy

Dada sy neny anilanao
Hiara-paly hanasoa
Tsy hanakifika akory
Fitia manontany ny ory

Tsy ho saziko ianao ry aiko
Ny ho avinao antenaiko
Hamirapiratra aok'izany
Paradisa latsakan-tany

Rehefa tonga ny fotoana
Handaozanao ity ankany
Izahay mivady eto foana
Hitia ano tsy ho lany

Safidy, haja, fahafahana
Hanjakainao sy ivavahana
Filaminana sy hafaliana
Rariana ho anao ry tiana

Ny fiainano banjino
Dada sy neny eto mino
Fa ianao tsy ho very anjara
Ary koa tsy ho lany zara

Any volana, any taona
Ny mpianakavy mbola hihaona
Hiravo sy ho falifaly
Adino ny setrokin'ny omaly

Panarato   19/08/2013

Mombamomba

Mpanoratra : Panarato

Nampiditra : panarato
Daty : 19/08/2013
Mpamangy : 1135
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fitia vaovao
Any lavitra any
Fitia ritra
Akaikin'ny fo
Neny, fitiavako voalohany
Onjasoa
Tanindrazakop
Fitiavana ihany
Panarato