You are here: home > Vetso

Neny, fitiavako voalohany - Panarato

Azo vakiana?

Neny, neny aiza ianao
Ny zanakao mitalaho
Mahatsiaro irery eto an-tany
Very saina, mitomany

Rotsirotsy, fitoniana
Tao an-kibon-dreny tiana
Tsy hadino mitamberina
Mampatsiahy te-hiverina

Ny fiainanao manontolo
Dia natokanao hikolo
Hahalehibe ny zanakao
Ho tonga lafatra, olom-bao

Ny tenanao nataonao sorona
Hahatonga taiza ilay malala
Hainao koa ny namorona
Fitaizana mendrika sy tsara

Hainao koa ny namindra
Fahendrena sy fisainana
Hain-teny soa mirindra
Haigon-kevitra amin'ny fiainana

Tena tsy afaka ao an-tsaiko
Ny salovan-tavanao
Ny handino anao tsy haiko
Ny foko raikitra aminao

Panarato     17/08/2013

Mombamomba

Mpanoratra : Panarato

Nampiditra : panarato
Daty : 17/08/2013
Mpamangy : 1037
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fitia vaovao
Any lavitra any
Fitia ritra
Akaikin'ny fo
Zanako
Onjasoa
Tanindrazakop
Fitiavana ihany
Panarato