You are here: home > Vetso

Mbola hisy - R. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Na maloka
aza ny andro
ny andronao
anio

Mbola hisy
ny masoandro
tsarovy
tadidio

Na maloka
aza ny andro
sembandrahona
izy izao

mbola ho avy
ilay maraina
hitondra
aina vao

Na mafaitra
toy ny afero
ka tomany
sy alahelo

No zary toa
mameno
dia aza kivy
ianao rahavako

Ny fandresena
no efa tazako

Rado ANDRIANIAINA
11-09- 2016

Sokajy : Ady

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : R. ANDRIANIAINA


Nampiditra : radoandrianiaina2
Daty : 07/05/2017
Mpamangy : 412
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Efa ela
Misy teny
Fitia lasanao
Tononkalo nosoratako