You are here: home > Vetso

Tononkalo nosoratako - R. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Ny tononkalo
nosoratako
diapenin'ny
sora-tanako

Feno saina
izay tsy fantatro
tontolo ho avy
ankamantatra

Misy fery
misy ratra
ranomaso
tsy voafafa

Ny tononkalo
nosoratako
mitantara
izay anjarako

ireo zava-bita
asa-tanako
dia ambaran'ny
Tononkalo nosoratako

Rado ANDRIANIAINA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : R. ANDRIANIAINA


Nampiditra : radoandrianiaina2
Daty : 07/05/2017
Mpamangy : 540
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mbola hisy
Efa ela
Misy teny
Fitia lasanao