You are here: home > Vetso

Misy teny - R. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Misy teny
tiko ambara
saingy
vahotra ny vava

Misy teny
tehilaza
iantsoko
anao malala

Misy teny
anie ry aiko
fa tsy vonona
ny saiko

Misy teny
efa ela
fa voafatotrin'ny
lela

Misy teny
nefa indrisy
ny fasahiko
no tsy misy

Misy teny
ka rahoviana
vao ho fantatrao
ry tina

Misy teny
misy teny
tsy voalazako
hobieny

Misy teny
mba mikasa
fa ny valin'io
kinasa

Misy teny
atramin'izao
no nafeniko
anao

Misy toy
izao
tena babo
tiko ianao.

Rado ANDRIANIAINA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : R. ANDRIANIAINA


Nampiditra : radoandrianiaina2
Daty : 07/05/2017
Mpamangy : 495
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mbola hisy
Efa ela
Fitia lasanao
Tononkalo nosoratako