Ilay tsiky (Raï Tsitoh Mi'kalo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tsiky ( aingam-panahy )Ilay tsiky miatsaravelatsihy
Ilay tsiky milaza fa tia
Ilay tsiky mifono mistery
Ilay tsiky milaza fa hoe ahy irery
Ilay tsiky izay noraisiko tena izy
Ka ilay tsiky manambara fa tsy izaho no izy
Ilay tsiky hitako rehefa mba mihaona
No tsiky farany tamin'ny fisaonana
Ilay tsiky kay tsy mitovy amin'ny tsikiko
fa tsiky hafa mintsy ...
Dia mbola ilay tsiky
kay efa ilay tsiky
Raï Tsitoh Mikalo
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
