Ramose mpampianatra (Raï Tsitoh Mi'kalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ramose tena mahafinaritra ahy
Ao koa ireo na hanontany azy aho tsy sahy
Ao ny tsotra sy be hanihany
fa ao koa ilay olona mampitomany

Toa an'i Ramise "Frederic"
Mitazona ny taranja siantifika
Miaraka aminy aloha dia tena manala azy
fa ny tsy hitiavako azy, izy tia manasazy

Ao i "m'se Elvis"
Izay mitarika ny taranja anglisy
Ny miaraka amin'ny aloha dia tena hoe "good"
N'iza n'iza tonga eo lasa tsy tafody

Mbola ao ihany koa i ramose "Anay"
Mpampianatra taranja malagasy sy frantsay
Izy aloha dia rangahy tsotra sy be indra fo
Olona tena enjana tokoa

Mba iza ary ilay mpampianatra anareo?
Ny mahita azy efa mankaleo
Sady masiaka no tsy azo hifandaharana
Ao mba samy mitonona ny isam-baravarana

Raï Tsitoh Mi'kalo
10-04-24
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
61 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Raï Tsitoh Mi'kalo
Nampiditra : Raï Tsitoh Mi'kalo
Daty : 16/04/2024 06:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132