Mbola tompony ve aho (Raï Tsitoh Mi'kalo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady kely anie mba saika hanontany
fanontaniana fa aza atao ampitomany.
Mbola tadidinao ve ilay daty
Sa navela tsy hay sy ho faty

Mbola afaka miantso malala ve aho?
Fa raha toa ka TSIA dia lazao
Ataovo ofisialy sy ara-tantara
Fa hoe eto ilay boky no tena miafara

Mbola tompony ve aho sa efa mpindrana
Fa izaho ato miandry anao efa sahirana
Mbola te hiantso hatrany hoe malala
Saingy ianao ity ohatrany efa tsy te halala.

Mety ho gaga ianao raha mahita ity
Miverena malaky fa izaho mbola tia
Manisa telo aho ka miainga ny "TOP"
Efa fantatro ianao fa tsy mahazaka "CHOC"

Hafatra kely : "Dia ny mbola tsy lasan'ny hafa aho dia tazomy fa tadidio fa tsy misy ny mitovy amiko na ny any am-paradisa ary"
Ilay malalanao
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
422 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Raï Tsitoh Mi'kalo
Inséré par : Raï Tsitoh Mi'kalo
Date : 14/04/2025 18:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113