Inona no mety ho tohiny... (Raï Tsitoh Mi'kalo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao iny izaho niakatra ny fiara iny
Dia nahita anao ity foko tsy manantsiny
Mba nidoboka izy sy nisento indray mandeha
Ka toa very saina tampoka teo aho re!!

Tsy nisy seza malalaka intsony ny tao anaty fiara
Ka nangataka ny hipetraka teo akaikinao aho ry "Kiala"
Nanaiky tamin'ny loha fotsiny ianao sady tsy rotitra akory
Hany ity foko potipotika sy lasa ory

Na dia nipetraka aza aho dia toa tsy nahazo aina mihintsy
Satria nahita ireo masonao toa masiaka tsy mitsitsy
Lasa toa natahotra kely izany aho nanomboka teo
Sy lasa te hiala tampoka aho nefa tsy leo

Tonga eo amin'ny toerana tokony hialana aho no nikitika ahy ianao
Ka taitra sy nivoara mena ka tafapetraka tampoka teo
Nilaza ahy ianao hoe mba atero izaho avy eo
Ka avy dia nanaiky tsy satry izaho izao

Nitsiky kely ianao dia nitodika hafa
Fa izaho kosa nandinika saina...lasa
Dia toa vetivety teo dia ianao niteny hoe andao amin'izay
Sady niteny hoe "ity tarehinao mba ovay"

Dia nateriko ianao sady manerika raha teo ny andro
Ka nangatsika ianao dia nomeko anao ny ahy ny akanjo
Ka nitsiky indray ianao dia lasa nanohy ny dia
Izaho kosa avy ato aoriana mankafy

Nitodika tany amiko ianao dia niteny hoe efa tonga aho
Ka teo aho sanganehana tsy nahita atao
Niteny ahy ianao hoe misaotra nanatitra
Izaho kosa nijery lanitra maharitra

Namihina ahy ianao dia nitsiky indray mandeha
Ka teo aho saika tsy nahita tany aleha
Nangataka tamiko ianao ny mba hijanonako eo aminao
Ka hoy aho hoe eny ary raha sitrakao

Aoka isika mpamaky no hamisavisa ny tohiny...

Raï Tsitoh Mi'kalo
17-01-25
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
297 1
Commentaires
Raï Tsitoh Mi'kalo ( 22/01/2025 18:55)
Mba tianareo ve???
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Raï Tsitoh Mi'kalo
Inséré par : Raï Tsitoh Mi'kalo
Date : 22/01/2025 13:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115