Sendram-pahoriana (Rado andrianiaina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androm-pahavaratra
ao anatin'alimbe
avandra kotrok'orana
taintaina fatahorana

Ny masoandro tsy miposaka
dia alahelo no mitosaka
tsy mba avelany hisento
tsy misy fetra hoe atreto

masiaka loatra ianao ry tany
zovy izay tsy manaiky an'zany?

masiaka tsy misy fiantrana
rehefa andronao tsy azo ialana

any mety azo atao
tonokalo toy izao
mba hanatanjaka ny saina
izay diso mitaraina


RADO ANDRIANIAINA(10-07-2008)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
986 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado andrianiaina
Nampiditra : Andry tonokalo
Daty : 24/12/2016 08:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145