SORATSIN'NY AINGAMPANAHY (Rado andrianiaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamakivaky atim-panahy
ny loharanon'ny fitiavako
Any anaty loha-saha
tsoa-drivotra mangina

eny ambonin'ny rano mamy
sy rano masina manonja
mivetso ahy hatrany
ny aim-panahy izay mafonja

ny fipetrany ao anaty
misy afo tsy mba maty
izay mibaiko ny ao ampo
sy ny saina izay mitondra ahy.

Rado andrianiaina -10-11-2014
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado andrianiaina
Nampiditra : Andry tonokalo
Daty : 24/12/2016 06:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0341