vintana sa anjara? (Rado andrianiaina)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gaga aho ry fiainako
ka mba lasa ny fisainako
gaga ny aminao
fa toa tsy mety izay atao

fa misy ireo mianjaika
tena kanto sady soa
fa misy rovi-damba
no tafian'ny hafa ko!

fa misy tena faly
tena faly sady voky
fa misy kosa noana
malahelo, tsy mandoky

gaga aho ry fiainako
ka mba lasa ny fisainako
gaga ny aminao
fa toa tsy mety izay atao

te-anotany sy anambara
na hilaza sy hitsara
ity fizotsin'ny tantara
sy izay mety ho fiafarana.

RADO ANDRIANIAINA (05-12-2015)
--------
Lien:
Catégorie : Fahantrana
1935 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rado andrianiaina
Inséré par : Andry tonokalo
Date : 24/12/2016 08:25
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113