Ao ny fotoana Mande ny or (rado_albert)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao ny fotoana
Mande ny ora
Taty aoriana
Lasa tanora

Nikarotra hevitra
Manam-panirina
Nizaha fatratra
Hanana olon-tiana

Nande nitady
Sady navitrika tsara
Tena niady
Mba ahazo ny anjara

Izato hafiliako
Tsy omby tratra
Nahita ny tiako
Ataoko fitaratra

Nifankatia foana
Na nisy ny vava
Nande ny taona
Tsy mba rava

Ataoko filamatra
Ny fahatsorany
Matsiaro sambatra
Izaho eo anilany

Fitia mifamatotra
Tenai zany tokoa
Fiarahana maharitra
Tsy manampaharoa
--------
Rohy:
338 1
Mpakafy: rado_albert
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : rado_albert
Nampiditra : rado_albert
Daty : 14/09/2022 16:26
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303