ilay tiko - rado_albert
Azo vakiana?
tsy aiko ny anatinao any
fa babonao ny aiko
ianao irery hatrany
no masaka ato an-tsaiko
toy ny tsy fahafoizako ahy
ny fitiavako anao
ka iandry aza manahy
fa tsy ataoko kilalao
vonona ny hitia
sy hanolokolo anao
mandrakizay doria
sy hatramin'izao
ianao ry tiko
ilay efa nantenaiko
olona efa niriko
mba hampamiratra ny saiko
ianao no voafidiko
mba ihisian'ny mazava
manampy ny hoaviko
mba tsy ho rava
ilay noroko
fa ny tanjoko ho tratra
fanafodin'ny foko
ho lavitry ny ratra
ilay nahatokisako foana
fa handray ny fitiavako
mba hahatonga ahy tsy olompoana
fa hanana ny anjarako
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : rado_albert

Nampiditra : rado_albert
Daty : 16/11/2019
Mpamangy : 102
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Fiainanamahagaga