Alahelo (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo lalina ao am-poko
Ny nandaozanao ahy
Ka tsy hitsiky ny fanahy
Fa mbola hitoloko

Alahelo anie izany
Arahana tomany
Tsy misy ranomaso
Fa ritran’ny ankaso

Alahelo tsy mba tsapanao
No iainako isa minitra
Ka nataonao ankilabao
Ity ahy mipitrapitra

Alahelo mibahana ao anaty
Ka tsy norarahinao na ho faty
Ity tenako efa mangana
Mipetrapetraka eto andavarangana

Tena mafy izany malahelo
Saingy atao ahoana moa
Fa ianao te hanova helo
Ka nanapaka ny antsika roa

Ymamiah 11/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
274 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015