Ankilabao (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahatalanjona ahy loatra izay rehetra mba jerena
Mampatahotra ary koa mampivarahontsana ny tena
Tompon'andraikitra ambony manodinkodina harena
Tokony ho esoriny aminy ny fahefana izay nomena
......
Loza maro misavovona no mandrakotra ny tany
Izay vaovao mba vinaky tsy maintsy resa-paty ihany
Satria aina maro no nafoy noho ny ankason'ireo sasany
Manararao-pahefana izay no hany kely fantany
.......
Zaza roa tsy manan-tsiny no indro fa nalaina an-keriny
Ka ny iray dia novonoiny ary tsy mba noheveriny
Ilay tovovavy kely indro fa namoy ny ainy
K'izay rehetra nihatra taminy any an-koatra tantarainy
.........
Zazakely herin-taona nalaina roa vavy an-keriny
Notakiana vola be vokatr'izany Ray sy Reniny
Fa dia nahoana loatra re no ireo zaza tsy aman-tsiny ?
No natao ankilabao nozimbainareo toy iny
.......
Moa manao ny asanao ianao ry mpitondra firenena ?
Sa natao ankilabao ireny toky izay nomena ?
Moa hampivoatra anay tokoa ny nifidianana anao?
Sa vao mainka hampijaly ary ho mafy izao ?
......
Eny re ka mafy loatra izany nihatra taminay !
Ferin'aina lavareny anaty afo mahamay
Koa ndeha re izao ilay nahary ao ambony
No hangatahantsika filoha iray mba hampitony
......
Maro aminareo tompon'andraiki-pirenena
No nanosihosy foana irony fanekena
Maro aminareo tompon'andraiki-panjakana
Manao izay azo atao tsy hanajana ny lalana
.....
Ka na misy aza izany dia hitolona izahay
Ho fitsinjovana ireo hany handimby anay rahatrizay
Eny hitolona izahay na dia misy aza izany
Homba an'ity tanindrazana ny filaminan-tany
.....
Hitolona izahay ho an'ity tanindrazana
Hitolona amin-kery no hafatr'ireo razana
Hitolona izahay ho an'ity tanindrazana
Izay sarobidy loatra fa hany fiantsam-pazana
Fetraniaina
23/12/15
--------
Rohy:
941 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109