Antily (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antily anie ny tenako
Hatrizay mandra'izao
Ny voady tsy anenenako
Fa mitoetra anatiko ao
......
F'izahay Antily izao
Andrin'ity Gasikara
Eny ho fantatrao
Ny marina an-tantara
.....
Tanora sahisahy
Izahay Antily
Madio fo amam-panahy
Mijoro tsy mivily
.....
Ny Antily Lovitao
Voataiza mbola kely
Ho toy ny vaovao
Izay zavatra naely
.....
Itony sampana mavo
Mbola hivoatra indray andro
Hiarina raha lavo
Na maraina na atoandro
....
Antily mpianjoria
Izay niainanay
Ka na mafy re ny dia
Dia vonona izahay
....
Fa ny mpianjoria
Dia vontom-pitaizana
Manolotra fitia
Fa vontom-pahalalana
....
Ny mpamakilay
Mendrik'haja n'aiza n'aiza
Ka rahatrizay
Ho tonga tsara taiza
....
Ny sampana manga
Dia sampana iray
Tsy manavaka saranga
Fa vonona handray
....
Ny Antily mpiandalana
Tsy miamboho adidy
Mizotra amin'ny lalana
Hamoha izay mihidy
....
Izahay sampana mena
Vonona hatrany
Hanavao izay nomena
Handravaka ny tany
....
Fetraniaina
23/12/15
Ho voninahitry ny Fikambanana scoutisme
--------
Rohy:
1185 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155