You are here: home > Vetso

Babo - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Endrey ny toa maro loko
Ny endrim-pitiavako
Fa babonao ny foko
Mba marina  Rahavako
-Tafaray samy tia
Eny izaho sy ianao
Ilay ato an-kavia
Dia mitempo ho anao
-Avia ange rahavako
Manantona ahy
Avia ry fiantsampazako
Sy andrin'ny fanahy
-Fa hambarako aminao
Ilay teny mamy iray
Dia ny hoe tiko ianao
Filazako hatrizay
-F'izaho dia tena tia
Ary tena amin'ny fo
Ny hanary sanatria
Ny nofy re ho to
-Fananako ianao
Ka tiako ho ahy irery
F'izay nomeko anao
Tano tsy ho very

Hametraka hevitra

Midira aloha