Firaisan-kina-Fifanampiana-Fifanajana-Fivoarana (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Andeha hiray fo,sy saina amam-panahy
Andeha hiray hina,hiombona ry lahy
Aoka isika ho iray,iray tonga mahery
F'izay ho azontsika,voatahiry tsy ho very
-Andeha isika hifanampy,hanorina sy hanangana
Aza mifidy tava,ampio re ny namana
Ampio mba ho tafita,ny osa sy malemy
Satria iray isika namana ireny
-Andeha isika hifanaja,ajoroy ny maha olona
Andeha hatao izany,ka aoka isika ho vonona
Hajao ny tenanao,toy izany koa ny hafa
Raha vonona ianao,isika ho samy tafa
-Andeha ihoary ny zava-bitanao
Andeha ihoary,tapaho ny hevitrao
Mivonona hatrany,ianao raha te hivoatra
Satria soa izany,eny tsara loatra
--------
Rohy:
2172 1
Mpakafy: malagasy2015
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149