"Gasikarako" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Nilatsahan'ny tavoniko
Ity anarana ho tononiko
Dia ny atao hoe tanindrazana
Izay tany iray nahatongavana
......Ry gasikarako malalako
Tany iray izay nipoirako
Nampisy izato fihodirako
Tany iray izay niandohako
nampisy ireny fahalalako
......Ry gasikarako malalako
Ry tany iray mamin'ny aiko
Manan-kasina,lalaiko
O ry tany nitsiriako
Ny hivoaranao iriako
......Ry gasikarako malalako
Fa ianao ry Gasikarako
Dia niandohan'ireo tantarako
Ianao no lalana nombako
Tamin'ny androm-pahazazako
......Ry gasikarako malalako
--------
Rohy:
898 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011