I madagasikara (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-I Madagasikara,tanindrazanay
Tao aho no nianatra,tao aho no nahay
Tsy foiko ho an'iza fa tao no lehibe
Taizan-dRay sy Reny,soa izany re
-Masina tokoa,ianao ry tanindrazako
Ianao no nanovozako,ny soa izay ananako
Tany sarobidy ianao ry niaviako
Ny fivoarana,no hany mba iriako
-Rako-java-tsoa ianao ry gasikara
Ianao no nipoiran'ny zanaka amam-para
Rakotr'ala maitso,manaingo ny tanana
Ny fanajana izany,no ajoro ho lalana
-Madio mangatsakatsaka ny rano ao an'ala
Ny higoka azy,tsy mba manalasala
Ny voaary manan'aina,mifaly aok'izany
Ravo hatraiza hatraiza,mitsiky foana hatrany
-Indreo mifaly havanja,mitsinjaka ny ankizy
Manampatra ny zony,jereo izato izy
Aoka re ho vanona,ho tia tanindrazana
Ho fanilo hanazava,hampisy fampivoarana
--------
Rohy:
1420 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102