Ilay omby sada mena (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Io mihinam-bilona,ilay omby sada mena
Hampidiriko ao am-bala izy rehefa voky
Ny fitiavany ahy mitombo,tsy mba mihena
Ho karakaraiko,satria dia natoky
-Tsy toy ny rehetra fa miaraka amin'ny maro
Tokana mba taizako,eny tsy hariana
Miavaka tokoa,tsy foiko hafangaro
Soa re ny fiainany,feno hamamiana
-Indro fa mipetraka,revo maka aina
Miaraka mifaly,akaikin'ireo namany
Tsy mba malahelo,tsy mba mitaraina
Toa tsy foiny izany,izaho ilay fananany
-Toa tsy mba manda,fa mankatoa ny teniko
Tsy mba misy laviny,na kely akory aza
Tomady lalandava,fa lavo ka nareniko
Ity omby iray tsy foiko,eny tsara laza
--------
Rohy:
1126 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106