"Loza" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndeha mandosira
Fa indro efa tamy
Atsaharo ny hira
F'izy any ho any
......
Mandehana milefa
Fa tsy hay intsony
Ny vely tiany alefa
Sao tsy mba hampitony
......
Ndeha ho aho mitsoaka
Fa tonga mba handringana
Tamy mba hamoaka
Ny vokatrin'ny dingana
......
O rey olona o! Milefa ianareo
Mananontanona any
Fa nahenoana feo
Redonin'ity tany
.....
Ny loza mahatsiravina
Tsy takatry ny saina
Ny hialofana tadiavina
Hanavotan'aina
.....
Milefa malaky
Fa iny hanoloana
Tonga mba hamaky
Anatin'ny fotoana
.....
Mijanona eo
Raha toa ka hiatrika azy
Ilay nolazaiko teo
Dia tsy mba vazivazy
....
Ny aina no ambony
Koa samia manavo-tena
Tsy misy ankiandry intsony
Raha ity loza no jerena
....
Setriny :
Hilefa izahay
K'andraso kely aloha
Fa ao an-tranonay
Sao misy tsy mifoha
....
Iny tamy toa mandrahona
Ity loza mahafaty
Ho entinay ny vahona
Ndeha ataonay vatsy
.....
Mihozongonzona ny tany
Noho ny afitson'ity ratsy
Toa hampijaly anie izany
Ndeha ifikiranay ny vatsy
....
Marina ny voalazany
Mahasika ny loza
Hatry ny ela no efa tazany
Sao ianareo no hitavoza
....
Loza mitatao
Ity hamely antsika
Koa 'ndao hilefa izao
Fa sao indray mipika
...
No hamoizan'aina
Noho ny tsy fitandremana
Sao re hampiasa saina
Tsy hampisy fahalemana
.....
Misaotra betsaka an'ise
R'ilay mpitily kinganay
Soa ho anao ho be dia be
Sy hitoetra rahatrizay
....
Koa ndeha isika hanainga
Ho tojo iry fakana aina
Ny ny tsy marina mpandainga
Dia hijaly sy hitaraina
....
Fetraniaina
23/12/15
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099