You are here: home > Vetso

Mamisoa - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Tena tiko ndry fitia tena matotra
O ry olon-tiako tsy afaka ao an-tsaina
Iriako foana hatrany isika hifamatotra
Hitambatra ho iray hampateza ny aina
-Ny bikanao mamiratra nambabo izany foko
Ny tsikinao malefaka mibitsika fitia
Vao nahita anao dia foana ny toloko
Iriako re antsika ho mandrakizay doria
-Tsy fitia sangisangy na koa hoe vazivazy
Fa fitia tena matotra tsy mba hay afoy
Ndeha isika izao hiaraka hanala azy
Ny revy isan-karazany....izaho mba atoroy
-Tiko ho safoina izao ny vatanao
Tiko ho safoina satria mandimandina
Andeha re hiombona hampety ny atao
Eto am-pandrinako eto......eto aho mibanjina
-Andeha hiara-hihary hampety ny atao
Ireo taloha izay tranainy,soloina vaovao
Tena ankafiziko izany hoe fihinina
Mahatsiaro sambatra aho satria isika ambinina

Hametraka hevitra

Midira aloha