"Noely" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankalazaina androany
Ilay andro sarobidy
Tsara indrindra an-tany
Ka tsy mba voavidy
......
Ity andro iray
Nahaterahan'ny mesia
Izy zanaky ny Ray
Mpanjakan'ny fitia
......
Indro isika higoka
Ny hamamian'ny tany
Fa maha-te hidoka
Maha-te hidera hatrany
......
Tonga I Jesoa
Ilay mpanjakantsika
Izy hitondra voa
Haniry ao amintsika
.....
Dia ny fahadiovam-po
Sy ny fahendrena
Izay tsy mba mety lo
Fa tolotra nomena
Fetraniaina
--------
Rohy:
3711 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149