"Ny fananako" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Izay ananako ifaliako
Koloiko tsara ka tsy ariako
Izay ananako ifaliako
Hanaja izany re no iriako
-Izay ananako ifaliako
Hanombohako ny fihariako
Ka na misy ireny fijaliako
Tsy hanary ahy ny fihafiako
-Izay hany kely ananana
Sy voatsirambin'ity tanana
Mbamin'ny eo am-pelatanana
Dia ho zaraina ho an'ny namana
-F'izay mahakarakara
No mba hanana ny tsara
Fa mampivoatra ny tantara
Ny fitsinjovana ny afara
--------
Rohy:
947 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1251