You are here: home > Vetso

Ny maraina - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Inty fa tamy ny maraina
Hitsika izay ao an-tany
Ravoravo re ny saina
Ravoravo tsy tomany
-Irony felam-boninkazo
Kanto aok'izany
Aoka re tsy halazo
Fa haniry foana hatrany
-Ireo vorona manidina
Mihira ho an'ny fo
Toa tahiry iray mipirina
Mitoetra ao tsy lo
-koa sambatra ny fanahy
Mamiratra ity maraina
Koa halaviro ny ahiahy
Halaviro ny taraina
-Ry velon-kira eny an'ala
Misaotra nanome
Lazao ireo tsy mahalala
Mifalia hono hoe

Hametraka hevitra

Midira aloha