tolona (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....
Nisy re ny tolona
Ho anao ry gasikara
Nataon'ireo olona
Nitsinjo ny afara
....
Nirehitra aok'izany
Ny fitiavan-tanindrazana
Nitolona hatrany
Ho anao ry fiantsampazana
....
Nanam-pahasahiana
Hitolona ho anao
Ry tany fihariana
Izay mijoro izao
....
Ny tolom-panafahana
Nibahana ny sainy
Ka nanam-pitiavana
Hanolotra ny ainy
....
Nitady fahafahana
Nitambatra iray
Tamin-kalalahana
Ry tanindrazanay
....
Indro fa lovaiko
Ny fahaleovantena
Tsy afaka ato an-tsaiko
Ny ainy izay nomena
....
Nandriaka anie ny ra
Noho ny aminao
Fa Izy tsy nanda
Ny ho faty ho anao
....
Tsy nisalasala
Nanolotra ny ainy
Mijoro ka tsy miala
No hany tao an-tsainy
....
Satria tiany ianao
Ry taranaka tafara
Tiany ho fantatrao
Ny marina an-tantara
....
K'izao no mba lazaiko
Antsika I Gasikara
Ny tsara nolovaiko
Ry ratsy mitsahara
--------
Rohy:
1298 0
Hevitra mandeha
ragotso ( 21/10/2015 17:37)
tena misaotra ry fetraniaina a, tena mampahatsiaro ny tolona marina izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175