Raiso ny fifonako (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Mifona re ry neny,ity zanakao adala
Toa hita hendry,nefa manalasala
Misento foana hatrany,ity ianao ry Neny
Kanefa tia zanaka,tsy sasatra miteny
-Moa hatraiza re izato hadalany ?
Mampisento fo,mampirotsaka tomany
Endrey tiana tokoa,rehefa taizan-dReny !
Voabedy foana hatrany,fitiavana ireny
-Nampahereziny aho noho ireo sedra nolalovako
Anaka! Ny soa ho anao ho izy no arovako
Nitaiza fony kely,nikolo nanabe
Ny soa havaly izany,ataoko be dia be
-Raiso ny fifonako,ry hany tiko indrindra
Arahim-bentsom-po sy teny tsara rindra
Vonona hanarina ny ditrany hatrizay
Nafoiny ireny ratsy,satria efa fay
--------
Rohy:
1238 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142